da Miarakaminy – finanziamento per il 2013

ASSOCIATION MIARAKAMINY

LOT 130G/3504 ANKOFAFA

FIANARANTSOA MADAGASCAR

e-mail: emilemaurice70@yahoo.fr

 

Associazione

UNICOSOLE-UNLUS VIA VIA ROCCOLO

39,24068 (BG) ITALY

 

TATITRA ASSOCIATION MIARAKAMINY

TAOM-PIANARANA  2011-2012

Association MIARAKAMINY LOT 130G/3504 ANKOFAFA ,FIANARANTSOA MADAGASCAR e-mail: emilemaurice70@yahoo.fr, cell 0331154047

 Associazioine

UNICOSOLE-UNLUS VIA VIA ROCCOLO

39,24068 (BG) ITALY

 

TATITRA ASSOCIATION MIARAKAMINY

TAOM-PIANARANA  2011-2012

Eto am-panombohana ity tatitra vokatry ny asa niarahantsika nisalahy hiady tsy misy indrafo amin’ny habadoana ity efa ho dimy taona sahady izay. Nanampy ny zaza sy ny tanora ary fianakaviana isika mba hianatra sy handeha any an-dakilasy daholo hiala amin’ity fanangejana  tsy misy indrafo  ataon’ny  habadoana ity.

Nahitanam-bokatra izany satria nihena ny isany zaza sy ny tanora mandao lakilasy mialohan’ny fotoana, milamina ny fianakaviana, ary velona ihany koa ny sekoly misy ireo tanorantsika ireo satria azo antoka ny ekolazy. Isaorako anareo UNICOSOLE-ONLUS izany.

Hafaliana ho anay ary ny manome anareo ny tatitra sy ny toe-javamisy mandritra iny taona 2011-2012 lasa iny

  1. I.       Isan’ny  mpianatra monina eto amin’ny Centre Ankofafa sy mianatra amin’ny sekoly samihafa eto Fianarantsoa: (18)

 Tsiandrama Ambositra=  08

Mahaditra =06

Ihosy =        01

Isoanala=     01

Isorana =     02

Totaly=       18

Saram-pianarana mandritra ny taona 2011-2012 = 17.640.000 ariary

  1. II.    Isan’ny mpianatra monina sy mipetraka any amin’ny Ray an-dreniny. (85)

 Tsiandrama Ambositra = 02

Mahaditra = 83

Totaly = 85

Saram-pianarana mandritra ny taona 2011-2012=  23.800.000 ariary

III. Isan’ny fianakavina mahazo tombontsoa. (40)

Mahaditra=                            30 

Tsiandrama Ambositra=         06

Ihosy=                                    01

Isoanala=                                01

Isorana =                                01

Soanierana =                           01

Totaly =                                  40

IV. Isan’ny Fototra Ravitsara mampidi-bola ( 4265)

Mahaditra :                             3500

Tsiandrama Ambositra =        0300

Isorana =                                0350

Soanierana =                           0015

Ihosy =                                   oo00

Isoanala =                               oo00

Totaly =                                  4265

Vidin’ny  ravitsara= 3500 kg x 1500 = 5.250.000 ariary

  1. V.    Centre Soanierana

Isan’ny mpianatra oniversité =          02

Isan’ny mpiasa=                                 01

Isan’ny akoho lafo  =                         500

Vidin’ny akoho mandritra ny taona: 500X 10000= 5.000.000 ariary

VI. Isan’ny Sekoly andefasantsika ireo zaza sy tanora hianatra

1. E.P.P Ambatoteraka Mahaditra

2. C.E.G Ambatoteraka Mahaditra

3. C.E.G Anjanomanana Mahaditra

4. Lycée Publique Mahaditra

5. Sekoly Katolika Victoire Rasoamanarivo  Mahaditra

6. Sekoly Katolika  St André Ambohimahazo Ambositra

7. Sekoly Katolika Fo masin’ny Jesoa Fianarantsoa

8. Sekoly Fivoarana Fianarantsoa

9.Sekoly Lasemeur Fianarantsoa

10.Sekoly Teknika Atrika Beravina Fianarantsoa

Famintinana.

Raha fintina ny teo-bolantsika tamin’ny fampianaran-jaza nandritra iny taona 2011- 2012 lasa iny dia toy  izao ary isaorana anareo sahady.

1.Vola lany dia 41.440.000 ariary ho an’ny mpianatra 103

2.  Vola niditra

Ravitsara=                            5.250.000Ar

Fiompiana akoho=               5.000.000Ar

Ray amandreny =                1.950.000Ar

Totaly=                                  12.200.000 Ar

  1. VII.          Asa vita ny taona 2012.
  2. 1.      Sekoly Ambatoteraka.

Vita soa aman-tsara ny sekoly naorintsina na dia somary tsy nahavita ny tena anjara nifanekena azy ny Ray aman-deny sasantsasany hany ka tsy afaka niakatra araka ny tokony ho izy ny hahavon’ny trano.

  1. 2.      Tranon’ny Mpianatra Soanierana.

Vita soa amantsara ny trano  fandraisana mpianatra amin’ny oniversité ao Soanierana ary efa nandraisana tanora izany ankehitriny.

Misaotra ary tena misaotra ho famonjena ny maro ary ho fanorenana ny fiaraha-monina Tiana ny manamarika fa nifindra kilasy daholo ny mpianatra iandraiketantsika tamin’ity taona ity . Tsy azo ianteherana firy anefa  izany noho ny krizy sy grevy lavareny nataon’ny mpampianatra.

Ny Ankofafa Anio faha 23/08/2012

 Ny Filoha P. Randrianandrasana Emile Maurice sy ny Ekipa

Association MIARAKAMINY

LOT 130G/3504 ANKOFAFA

FIANARANTSOA MADAGASCAR

e-mail: emilemaurice70@yahoo.fr

cell. 00331154047

 

Fangatahana fanampiana ara-bola ho tetik’asa fampianaran-jaza taona 2012-2013.

Tutti a scuola 

Association MIARAKAMINY ,LOT 130G/3504 ANKOFAFA ,FIANARANTSOA MADAGASCAR ,e-mail: emilemaurice70@yahoo.fr, 0331154047

 

Associazioine

UNICOSOLE-UNLUS VIA VIA ROCCOLO

39,24068 (BG) ITALY

 

Fangatahana fanampiana ara-bola ho an’ny fampianaran-jaza scolarisation taona 2012-2013 sy fampandehanana ny raharaha andavanandro ny fikambanana sy ny asan’ny P.Maurice.

Voninahitra ho anay ato amin’ny Association MIARAKAMINY ny mitady fanampiana ara-bola ho  fanohanana ny fampianarana-jaza izay tanjona tokan’ity Association ho an’ity taom-pikarohana 2012-2013 ho avy ity.

Efa niarahantsika nahita ny voka-tsoa azo toy ny hoe: “ mihena ny isan’ny zaza mandao sekoly alohan’ny fotoana,velona ny sekoly,ary afam-pahasahiranana ny fianakaviana”.

Tsapa ihany anefa fa tato anatin’ny taona nisehoan’nykrizy politika lavareny eto Madagasikara izay dia toa hita mbola miverina amin’ny habadoana indray ny zaza sy ny tanora. Mihabado ny  ny kilonga!!!. Toa very maina ny ezaka efa niaraha-natao. Tsy kivy amin’izany anefa isika fa dia miroso hatrany  hiady ary tena hitolona hatramin’ny faran’ny herintsika amin’ity habadoana ity. Miantso hery sy fara ezaka avy aminareo rehetra tsara sitrapo ny Association MIARAKAMINY  MBA HANOME TANANA HANAMPY ireo tanora sy zaza vitsivitsy ireo mba ho fanavotana ny be sy ny maro.

Italahoanay fanampiana aminareo

  1. A.    Ny saram-pianaran’ireto tanora miisa 57 mipetraka amin’ny Ray aman-dreniny ity:
  2. Mahaditra = 53
  3. Tsiandrama Ambositra= 04
  4. Totaliny = 57

Ny saram-pianarana mahavita azy ireo mandritra ny taona dia: 4.636.000ariary

  1. Ny saram-pianaran’ireo tanora miisa 15 mipetraka eto Centre Ankofafa izay mitentina 19.600.000 ariary.
  2. Ny saram-pianaran’ireo mpianatra miisa 04 mipetraka eny Centre Soanierana izay mitentina 7.000.000 ariary.
  3. Raha atambatra ny isa dia mpianatra miisa 119 no tiana ho tohanana mandritra ity taom-pianarana 2012-2013miditra ity. Mbola vitsy ireo raha mitaha amin’ny isan ’ny fangatahana fa ireo aloha no heverina fa zakantsika amin’ny fahabeazana. Mitentina 31.236.000 ariary ny vola mety ho lany.

Tsy avelantsina ho handevozin’ny habadoana ny olombelona fa indrindra ity zaza malagasy ity. Zo fototry ny olombelona ny mianatra sy an-dakilasy daholo.

Ny ravitsara.

Fantasika fa tena fomba mahomby tokoa amin’ny fizakantenan’ny fianakaviana ity fambolena ravitsara ity. Maniry tsara izy ary marisika ny Ray amandreny mikarakara azy.Araka ny tatitra hitantsika ery ambony. Tamin’ity taona ity dia tsy afaka nivaritra izahay noho ny krizy politika misy eto Madagascar izay miteraka fihidian’ny tsena iraisam-pirenena misy vokany  mivantana aminay tantsaha mahantra aty Mahaditra izany indrindra fa ny fianaran’ny zaza. Voatery notazana ny ravitsara na dia tsy misy mpividy aza nahita izany ireo ekipa nandalo taty tamn’ny volana Aogositra eto.Niangaviana tamin’ireo namana manana fitaovana izany ka nahazoana menaka 12 litara tsy voadio.izay tahirizina ato an-trano mandram-pahita mpividy tohana tanteraka ny vola ekolazin’ny mpianatra. Izany no mbola ahazoanay manao ireo fangataha ara-bola etsy ambony.

Ary italahoanay fanampiana ihany koa ny fividiana enlambique hanodinna ho huile essentiel ny Ravitsara izay miisa 4500 fototra izay tena inoana fa ho avy ara-bola matanjaka ho an’ny ampitson’ny fandoavana ekolazy sy saran-tsekoly.Tombanana ho 12.000.000 ariary ny vidin’ny enlambique iray.

Italahonay fanampiana ny fampandehanana ny ferme fiompiana akoho “ poulet de chaire” miantoka ny fiainan’ny trano roa tonta dia Soanierana sy Ankofafa. Mamoaka akoho 100 isambolana izahay. Ny fividianana ny provende no mbola mavesatra ho anay sady lafo no indraindray tsy misy. Mitalaho 2.500.000 ariary izahay ny amin’zany.

Italahoanay indrindra ny tenako ny fanampiana mivantana ny fiainan’i P. Maurice izay tsy mba manana fidiram-bola fa dia tena miankina aminareo.  

  1. Fanatsarana ny fiarakodia ( pneu 4, loko, capitonnage) = 6.000.000 ar
  2. Kojakoja samihafa ( savony  fanafody, …) 2.500.000 ariary.

 

Raha tsorina ka fintinina ny fangatahana dia toy izao ny tabilao famintinana :

 

  1. 1.      Scolarisations 2012-2013 ho an’ny kilonga 119=   31.236.000 ariary
  2. 2.      Activités Ravitsara (enlambique)=                           12.000.000 ariary
  3. 3.      Akoho=                                                                       2.500.000 ariary
  4. 4.      Fiarakodia sy P. Maurice=                                      26.300.000 ariary

Totalibeny =                                                              72.036.000 ariary

(soixante douze milions trente six mille ariary.)

 

Koa mamerina indray ny fitalahoana avy aminareo mpikambana ato amin’ny Ass UNICOSOLE-ONLUS izahay ary mirary koa raha mirary soa ho antsika rehetra misaotra. An-dakilasy daholo tutti a scuola.

 

Ny Ankofafa Anio faha 23/08/2012

 Ny Filoha p. Randrianandrasana Emile Maurice.

 

 

 

 

Immagini collegate: